Marka 5:41 - DIEM PROTESTANTA Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza ka hoy Izy taminy: –Talità komỳ! (Izany hoe: «Razazavavy, mandidy anao Aho, mifohaza!») Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandray ny tanan’ilay zaza Izy ka niteny taminy hoe: Talita komỳ, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Aho aminao: Mitsangàna! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay zaza ka hoy Izy taminy: –Talità komỳ! (Izany hoe: «Razazavavy, mandidy anao Aho, mifohaza!») Baiboly Katolika ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe: «Talita, komỳ» izany hoe: «Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna. Malagasy Bible Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna. La Bible en Malgache Dia nandray ny tanan’ilay zaza Izy ka niteny taminy hoe: Talita komỳ, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Aho aminao: Mitsangàna! |
Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan’ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an’ireo vahiny.
Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao.
Dia nihomehezan’ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin’ny toerana nisy ny zaza.
Dia nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy, ka nandehandeha, fa efa feno 12 taona. Ary dia talanjona aoka izany ny olona teo;
araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nahatonga anao ho raim-pirenena maro Aho.» Eny, raintsika rehetra izy eo anatrehan’ilay Andriamanitra ninoany, dia ilay Andriamanitra mamelona ny maty sy mampisy ny tsy misy.
Izy no hanova izao tenantsika tsinontsinona izao, ka hampitovîny amin’ny tenany be voninahitra, araka ny heriny miasa hahatonga ny zavatra rehetra hanaiky Azy.