Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 5:39 - DIEM PROTESTANTA

Koa sady niditra tao an-trano i Jesoa no niteny tamin’ireo olona tao nanao hoe: –Nahoana ianareo no misomaritaka sy mitomany tahaka izao? Tsy maty akory ny zaza, fa matory!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa niditra Izy dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mikorontana sy mitomany? Tsy maty Razazavavy fa matory.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa sady niditra tao an-trano i Jesoa no niteny tamin’ireo olona tao nanao hoe: –Nahoana ianareo no misomaritaka sy mitomany tahaka izao? Tsy maty akory ny zaza, fa matory!

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary niditra Izy ka niteny tamin’ireo hoe: «Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana hianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa niditra Izy dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mikorontana sy mitomany? Tsy maty Razazavavy fa matory.

Jereo ny toko



Marka 5:39
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary olona marobe izay matory ao amin’ny vovoka ao am-pasana no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny zava-mahatsiravina mandrakizay.


dia nanao hoe: –Mialà ianareo! Tsy maty akory razazavavy fa matory! Dia nihomehezan’ny olona i Jesoa.


Nankao an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy efa-mianaka, ary hitan’i Jesoa ireto olona misomaritaka sy mitomany ary mikiakiaka.


Dia nihomehezan’ny olona i Jesoa; nefa noroahiny any alatrano izy rehetra ka ny ray aman-drenin-jaza sy ireo mpianatra niaraka taminy no nentiny nankao amin’ny toerana nisy ny zaza.


Dia nidina i Paoly ary niondrika teo aminy sy nitrotro azy ka nanao hoe: –Aza manahy fa velona izy!


Izany no mampisy ny marary sy farofy betsaka eo aminareo ary maro aza no maty.


Maty ho antsika i Kristy, mba hahatonga antsika hiara-miaina aminy, na mbola velona aina isika na efa maty, amin’ny andro hiaviany.