Marka 5:18 - DIEM PROTESTANTA Raha ilay niondrana an-tsambokely iny i Jesoa, dia niangavy taminy kosa ilay azon’ny demony teo aloha nanao hoe: –Avelao aho hiaraka aminao! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa hiondrana ho ao an-tsambokely Jesosy dia nangataka Taminy ilay demoniaka sitrana mba hijanona eo Aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha ilay niondrana an-tsambokely iny i Jesoa, dia niangavy taminy kosa ilay azon’ny demony teo aloha nanao hoe: –Avelao aho hiaraka aminao! Baiboly Katolika Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy, dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy; Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. Malagasy Bible Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. La Bible en Malgache Ary rehefa hiondrana ho ao an-tsambokely Jesosy dia nangataka Taminy ilay demoniaka sitrana mba hijanona eo Aminy. |
Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.
dia tonga teo akaikin’i Jesoa ary nandinika ilay lehilahy azon’ny demony antsoina hoe Tafika teo, efa mipetraka tsara, mitafy lamba sady ary saina; ka nihoron-koditra izy rehetra.
Ry zareo nanatri-maso kosa nitantara tamin’ireo vao tonga ny zava-niseho tamin’ilay azon’ny demony sy ny nanjo ny kisoa teo.
ary niantsoantso ka niteny tamin’ny feo mahery hoe: –Fa hataonao inona aho, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra avo indrindra? Miangavy Anao amin’ny anaran’Andriamanitra aho, aza dia ampijalîna re!