Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 5:14 - DIEM PROTESTANTA

Nandositra ireo mpiandry kisoa ka lasa nilaza ny vaovao tao an-tanàna sy teny ambanivohitra. Koa avy ny olona hijery ny zava-niseho,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny mpiandry azy ireo dia nandositra ka nilaza ny zava-nitranga tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia tonga ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandositra ireo mpiandry kisoa ka lasa nilaza ny vaovao tao an-tanàna sy teny ambanivohitra. Koa avy ny olona hijery ny zava-niseho,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny mpiandry azy ireo dia nandositra ka nilaza ny zava-nitranga tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia tonga ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

Jereo ny toko



Marka 5:14
5 Rohy Ifampitohizana  

Ny zava-masina, aza omena ny alika, fandrao hifoteran’ny alika ianareo ka hoviravirainy; ary ny vatosoanareo, aza atsipy amin’ny kisoa, fandrao voahosihosiny.


Nandositra kosa ireo mpiandry kisoa, ary nankany an-tanàna nilaza ny zava-nitranga rehetra sy ny momba azy roa lahy azon’ny demony teo aloha.


Neken’i Jesoa ny fangatahany. Koa dia niala tamin-dralehilahy ireo fanahy maloto ka lasa niditra tao amin’ny kisoa. Ary nirifatra ny andian-kisoa, tokony ho kisoa roa arivo, ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy, dia maty tao.


dia tonga teo akaikin’i Jesoa ary nandinika ilay lehilahy azon’ny demony antsoina hoe Tafika teo, efa mipetraka tsara, mitafy lamba sady ary saina; ka nihoron-koditra izy rehetra.


Vao nahita ny zava-niseho ireo mpiandry kisoa, dia nandositra ary nilaza ny vaovao tao an-tanàna sy teny ambanivohitra.