Izao no lazain’ny TOMPO amin’ny olon’i Joda sy ireo mponin’i Jerosalema: Miasà tanimboly vaovao ianareo, fa aza mamafy amin’ny tany misy tsilo!
Marka 4:7 - DIEM PROTESTANTA Ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo; ary nitombo ny tsilo ka nangeja ny tsimoka, dia tsy namoa izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy ampahany hafa indray latsaka teny amin’ny tsilo; ary naniry ny tsilo ka nangeja azy dia tsy namoa izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo; ary nitombo ny tsilo ka nangeja ny tsimoka, dia tsy namoa izy. Baiboly Katolika Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. Malagasy Bible Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. La Bible en Malgache Nisy ampahany hafa indray latsaka teny amin’ny tsilo; ary naniry ny tsilo ka nangeja azy dia tsy namoa izy. |
Izao no lazain’ny TOMPO amin’ny olon’i Joda sy ireo mponin’i Jerosalema: Miasà tanimboly vaovao ianareo, fa aza mamafy amin’ny tany misy tsilo!
Ny voa nafafy tany anaty tsilo dia izay mahaheno ny teny, kanefa ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan’ny harena mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa.
Ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo; dia nitombo ny tsilo ary voageja ny tsimoka.
Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.
saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon’ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina satria tsy namaka lalina.
Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka, dia naniry sy nitombo ary namoa: ny iray namokatra telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.
Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Mitandrema! Aoka tsy ho voan’ny fangoronan-karena isan-karazany ianareo, fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny fananany!
–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany,
Ny latsaka teo amin’ny tsilo indray dia izay mahaheno ihany koa; kanjo eny an-dalam-pivahiniana, voagejan’ny ahiahy sy ny harena ary ny fahafinaretan’ny fiainana mandalo ka tsy mahavanom-boa.
ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo, ka niara-naniry tamin’ny tsilo dia voageja;