Tsy hotapahiny ny volotara folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona fa hamoaka ny lamina ara-drariny tokoa izy.
Marka 4:40 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana angaha ianareo? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Nahoana no matahotra ianareo? Tsy mbola manana finoana va ianareo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana angaha ianareo? Baiboly Katolika Ary hoy Izy tamin’izy ireo: «Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?» Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: «Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?». Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana va hianareo? Malagasy Bible Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? La Bible en Malgache Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Nahoana no matahotra ianareo? Tsy mbola manana finoana va ianareo? |
Tsy hotapahiny ny volotara folaka, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona fa hamoaka ny lamina ara-drariny tokoa izy.
Raha mamakivaky ny rano ianao, dia homba anao Aho; raha miampita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao ireny; raha mandeha eo anivon’ny afo ianao, dia tsy ho may akory fa tsy handoro anao ny lelafo.
Avy hatrany i Jesoa dia nanatsotra tanana ka nandray an’i Petera ary nanao taminy hoe: –Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?
Tsikaritr’i Jesoa izany ka hoy Izy: –Ry kely finoana, nahoana ianareo no miady hevitra ny amin’ny tsy nitondranareo mofo?
Tafîn’Andriamanitra toy izany ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa atsipy any am-patana rahampitso; tsy mainka ve ianareo no hampitafîny, ry kely finoana?
Ary hoy i Jesoa taminy: –Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro.
Ary natahotra dia natahotra tokoa iretsy mpianany, ka nifampilaza hoe: –Fa iza àry io no manaiky Azy hatramin’ny rivotra sy ny farihy?
Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano; dia nitsahatra ireo ary nanjary tony tsara ny andro. Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Fa aiza ny finoanareo? Izy ireo koa raiki-tahotra sy gaga sady nifampilaza hoe: –Iza moa ity? Fa baikoiny hatramin’ny rivotra sy ny rano, dia manaiky Azy!