Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiditra tao an-tsambokely ireo mpianatra ary nasainy hialoha Azy eny ampita; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody.
Marka 4:35 - DIEM PROTESTANTA Ny harivan’iny andro iny ihany dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Andeha isika hankerỳ ampita! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’io andro io ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ireo: Andeha isika ho erỳ ampita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny harivan’iny andro iny ihany dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Andeha isika hankerỳ ampita! Baiboly Katolika Androtr’izay ihany, nony hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: «Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.» Baiboly Protestanta Malagasy ARY androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. Malagasy Bible Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. La Bible en Malgache Tamin’io andro io ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ireo: Andeha isika ho erỳ ampita. |
Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiditra tao an-tsambokely ireo mpianatra ary nasainy hialoha Azy eny ampita; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody.
Nony hitan’i Jesoa ny vahoaka betsaka nanodidina Azy, dia nanome baiko Izy mba hankeny ampitan’ny farihin’i Galilea.
Nony tafaverina an-tsambokely teny ampita i Jesoa, dia vahoaka maro no nitangorona nanatona Azy, fa Izy kosa nijanona teo amoron’ny farihy ihany.
Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambokely ny mpianany ary nasainy hiampita mialoha hankeny Betsaidà; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody.
Indray andro, niondrana an-tsambokely i Jesoa mbamin’ny mpianany, ka hoy Izy tamin’ireo: –Andeha isika hankeny ampitan’ny farihy! Dia niainga Izy mianakavy.
Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano; dia nitsahatra ireo ary nanjary tony tsara ny andro. Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Fa aiza ny finoanareo? Izy ireo koa raiki-tahotra sy gaga sady nifampilaza hoe: –Iza moa ity? Fa baikoiny hatramin’ny rivotra sy ny rano, dia manaiky Azy!
Taorian’izany, dia lasa i Jesoa nankeny ampitan’ny farihin’i Galilea (na hoe farihin’i Tiberiada).
Ary niondrana an-tsambokely izy ireo ka nita ny farihy ho any Kafarnahòma. Efa maizina ny andro tamin’izay, nefa i Jesoa mbola tsy tonga teo amin’ireo mpianany;
Rehefa nahita an’i Jesoa teny ampitan’ny farihy ny vahoaka, dia nanontany Azy hoe: –Mpampianatra ô, oviana no tonga teto Ianao?