Ny voa sasany latsaka tamin’ny toerana be vato sady manify nofon-tany, ka vetivety dia nitsimoka satria tsy lalina ny tany nilentehany;
Marka 4:16 - DIEM PROTESTANTA Ao koa ny amafazana an-tany be vato: vao mahaheno ny teny izy, dia mandray azy an-kafaliana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tahaka izany koa, ireo izay voafafy teny amin’ny toerana be vato dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ny hafaliana; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ao koa ny amafazana an-tany be vato: vao mahaheno ny teny izy, dia mandray azy an-kafaliana, Baiboly Katolika Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana; Baiboly Protestanta Malagasy Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ny hafaliana; Malagasy Bible Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana; La Bible en Malgache Tahaka izany koa, ireo izay voafafy teny amin’ny toerana be vato dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ny hafaliana; |
Ny voa sasany latsaka tamin’ny toerana be vato sady manify nofon-tany, ka vetivety dia nitsimoka satria tsy lalina ny tany nilentehany;
Ao ny amafazana ny teny eo amoron-dalana: vao mahaheno izy, dia tonga i Satàna manaisotra ny teny voafafy tao aminy.
saingy tsy alatsany lalina ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao mitranga ny fahoriana na fanenjehana noho ny tenin’Andriamanitra, dia very finoana izy.
Natahotra an’i Jôhany i Herôda satria hitany fa lehilahy mandala ny rariny sady masim-pitondrantena i Jôhany ka narovany. Isaky ny nihaino azy i Herôda, dia sahiran-tsaina mafy, nefa dia nahafinaritra azy ny nihaino azy.
Ireny teo ambony vatolampy kosa dia izay mahaheno sady mandray ny teny an-kafaliana nefa tsy mandatsaka lalina izany ao aminy; mba mino vetivety ihany izy, kanjo mihemotra amin’ny fotoana fitsapana.
I Jôhany dia toy ny jiro nirehitra sy nanazava, ka satrinareo nifaliana vetivety ny fahazavany.
Ary hoy i Agripà tamin’i Paoly: –Heverinao moa fa dia ho tonganao kristianina haingana toy izany aho?
Ny tenan’i Simôna koa aza dia nino ka natao batisa; tsy nahasaraka an’i Filipo izy ary talanjona nahita ny famantarana sy ny asa lehibe mahagaga izay notontosaina.