Izay miaraka amin’ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin’ny adala kosa hiharatsy.
Marka 4:10 - DIEM PROTESTANTA Rehefa nitokana lavitra ny vahoaka i Jesoa, dia nanontany Azy ny hevitry ny fanoharana ireo mpomba Azy mbamin’ny 12 lahy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nisintona tsy teo amin’ny vahoaka intsony Izy dia nanontany Azy ny amin’ireo fanoharana ireo ny olona nomba Azy mbamin’ny roa amby folo lahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa nitokana lavitra ny vahoaka i Jesoa, dia nanontany Azy ny hevitry ny fanoharana ireo mpomba Azy mbamin’ny 12 lahy, Baiboly Katolika Nony efa nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha tao amin’ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy. Malagasy Bible Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy. La Bible en Malgache Rehefa nisintona tsy teo amin’ny vahoaka intsony Izy dia nanontany Azy ny amin’ireo fanoharana ireo ny olona nomba Azy mbamin’ny roa amby folo lahy. |
Izay miaraka amin’ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin’ny adala kosa hiharatsy.
Fanoharana no nilazan’i Jesoa zavatra maro taminy ka hoy Izy: –Indro niainga ity mpamafy hamafy voa.
Tamin’izay dia nandao ny vahoaka i Jesoa ary nody tany an-trano; dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: –Hazavao aminay ny hevitry ny fanoharana momba ny tsimparifary nafafy an-tanimbary.
ka novaliany hoe: –Ianareo no efa nomena ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra; fa ho an’ireo any ivelany kosa dia manjary ankamantatra saro-pantarina ny zavatra rehetra,
Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin’ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin’ireo mpianany ny zava-drehetra.
Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka i Jesoa ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy momba io fanoharana io ny mpianany;