Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 3:23 - DIEM PROTESTANTA

Fa nantsoin’i Jesoa iretsy mpahay lalàna ka fanoharana no nitenenany taminy hoe: –Ahoana no hahafahan’i Satàna mandroaka an’i Satàna?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary Jesosy niantso azy ireo hankeo Aminy ary nilaza fanoharana taminy hoe: Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa nantsoin’i Jesoa iretsy mpahay lalàna ka fanoharana no nitenenany taminy hoe: –Ahoana no hahafahan’i Satàna mandroaka an’i Satàna?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: «Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon’i Satana ahoana no famoaka an’i Satana?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary Jesosy niantso azy ireo hankeo Aminy ary nilaza fanoharana taminy hoe: Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana?

Jereo ny toko



Marka 3:23
10 Rohy Ifampitohizana  

fa hilaza fahendrena ny vavako, hametsovetso fahalalana ny foko.


Fanoharana no nilazan’i Jesoa zavatra maro taminy ka hoy Izy: –Indro niainga ity mpamafy hamafy voa.


Fanoharana no nanambaran’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka. Ary tsy nanambara zavatra tamin’ny vahoaka afa-tsy tamin’ny fanoharana i Jesoa,


Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Mialà, ry Satàna, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery no hivavahanao!»


Ary dia fanoharana indray no nitenenan’i Jesoa tamin’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ary loholona, ka hoy Izy: –Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana, dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.


Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany;


ka novaliany hoe: –Ianareo no efa nomena ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra; fa ho an’ireo any ivelany kosa dia manjary ankamantatra saro-pantarina ny zavatra rehetra,


Fanoharana no nampianaran’i Jesoa zavatra maro azy; ary nandritra ny fampianarany no nitenenany taminy hoe: