Ary nandalo teo amoron’ny farihin’i Galilea i Jesoa ka nahita an’i Simôna sy i Andrea mirahalahy; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany.
Marka 3:16 - DIEM PROTESTANTA Ireto no voatendriny ho isan’ny 12 lahy: i Simôna izay nampian’i Jesoa anarana hoe Petera; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireto no voatendriny ho isan’ny 12 lahy: i Simôna izay nampian’i Jesoa anarana hoe Petera; Baiboly Katolika Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera; Malagasy Bible Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera; La Bible en Malgache I Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera; |
Ary nandalo teo amoron’ny farihin’i Galilea i Jesoa ka nahita an’i Simôna sy i Andrea mirahalahy; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany.
i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy zanak’i Zebedeo ary nampian’i Jesoa anarana hoe Boanerjesy, izany hoe olona mahery setra tahaka ny varatra;
Nony maraina, nantsoiny ny mpianany ka nifidianany 12 lahy izay nomeny anarana hoe apôstôly:
Dia nentin’i Andrea nankany amin’i Jesoa i Simôna; ary nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe: –Ianao no Simôna, zanakalahin’i Jônà! Hantsoina hoe Kefasy ianao (izany hoe Petera na hoe Vato, raha adika)!
Ka nony tonga tao an-tanàna izy ireo, dia niakatra tao amin’ny efitrano ambony rihana fitoerany: dia i Petera, i Jôhany, i Jakôba, i Andrea, i Filipo, i Tômà, i Bartôlômeo, i Matio, i Jakôba zanakalahin’i Halfeo, i Simôna Zelôta ary i Jodasy zanakalahin’i Jakôba.
Izao no tiako holazaina: Samy miteny izay teneninareo ianareo, ka ny anankiray manao hoe: «Izaho an’i Paoly»; ary hoy kosa ny anankiray: «Izaho an’i Apôlao»; misy kosa manao hoe: «Izaho an’i Petera»; ary hoy indray ny hafa: «Izaho an’i Kristy.»
na i Paoly, na i Apôlao, na i Petera, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany;
Moa tsy zonay ve ny mitondra vehivavy kristianina toy ny ataon’ireo apôstôly sy ny rahalahin’ny Tompo ary i Petera?
Avy amiko Simôna Petera ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’i Jesoa Kristy sady apôstôliny. Mamangy anareo aho, dia ianareo izay nahazo finoana sarobidy tahaka ny anay, noho i Jesoa Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy antsika, efa niantra antsika.