Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.
Marka 2:9 - DIEM PROTESTANTA Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza amin’ity malemy ity hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza aminy hoe: «Mitsangàna, ka batao ny fandrianao ary mandehana»? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Inona moa no moramora kokoa, ny milaza amin’ilay malemy hoe: Voavela ny helokao, sa ny milaza hoe: Mitsangàna, batao ny fandriananao ka mandehana? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza amin’ity malemy ity hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza aminy hoe: «Mitsangàna, ka batao ny fandrianao ary mandehana»? Baiboly Katolika Inona no moramora kokoa, ny manao amin’ity malemy ity hoe: ‹Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana?› Baiboly Protestanta Malagasy Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin’ilay mararin’ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana? Malagasy Bible Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana? La Bible en Malgache Inona moa no moramora kokoa, ny milaza amin’ilay malemy hoe: Voavela ny helokao, sa ny milaza hoe: Mitsangàna, batao ny fandriananao ka mandehana? |
Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.
Ary indro nisy lehilahy malemy nilamaka am-pandriana, nentin’olona teo aminy. Hitan’i Jesoa ny finoan’ireto olona, ka hoy Izy tamin’ilay malemy: –Mahereza, anaka; voavela ny helokao!
Fa inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza hoe: «Mitsangàna ka mandehana»?
Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak’olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka! Dia hoy i Jesoa tamin’ilay malemy:
Takatr’i Jesoa avy hatrany ny eritreritr’iretsy mpahay lalàna ka hoy Izy taminy: –Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo?