Ka hoy ireo amin’izay ifanenany: «Mihatakataha lavitra, aza mikasika ahy fandrao mahafaty anareo ny fahamasinako.» Ireny fomban-tsampy isan-karazany ireny dia toy ny setroka mampirongatra ny hatezerako sy toy ny afo mampirehidrehitra azy isan’andro.
Marka 2:16 - DIEM PROTESTANTA Rehefa nahita an’i Jesoa niara-nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra ireo mpahay lalàna anisan’ny antokom-pivavahana Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe: –Dia miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota ve Izy io? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny mpanoradalàna, izay isan’ny Fariseo, raha nahita Azy niara-nipetraka nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra, dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa nahita an’i Jesoa niara-nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra ireo mpahay lalàna anisan’ny antokom-pivavahana Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe: –Dia miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota ve Izy io? Baiboly Katolika Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny Poblikanina sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: «Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny Poblikanina sy ny mpanota?» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpanora-dalàna, izay isan’ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy! Malagasy Bible Ary ny mpanora-dalàna, izay isan'ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy! La Bible en Malgache Ary ny mpanoradalàna*, izay isan’ny Fariseo*, raha nahita Azy niara-nipetraka nisakafo tamin’ny mpanota sy ny mpamory hetra, dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy! |
Ka hoy ireo amin’izay ifanenany: «Mihatakataha lavitra, aza mikasika ahy fandrao mahafaty anareo ny fahamasinako.» Ireny fomban-tsampy isan-karazany ireny dia toy ny setroka mampirongatra ny hatezerako sy toy ny afo mampirehidrehitra azy isan’andro.
Fa raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny iray Fiangonana; ary raha tsy mihaino ny iray Fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny hafa firenena sy toy ny mpamory hetra.
Fa raha izay manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no valisoa manokana azonareo andrandraina avy amin’Andriamanitra? Na dia ny mpamory hetra aza ve tsy manao toraka izany koa?
Nahita izany ny Farisianina ka nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe: –Nahoana ny Mpampianatrareo no dia miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Levỳ i Jesoa, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany; fa maro ireo karazan’olona ireo no fatra-panaraka Azy.
«Nahoana no miteny toy izany ilay ity? Manevateva an’Andriamanitra! Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany?»
Naka toerana ilay Farisianina ka nivavaka anakampony hoe: «Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany izay mpangalatra, tsy marina sady mpaka vadin’olona, na tahaka io mpamory hetra io aza.
Nimonomonona ny olona rehetra nanatrika teo ka nanao hoe: –Any amin’ny mpanota indray re no amantanany!
Nimonomonona ny Farisianina sy ireo mpahay lalàna mpomba azy ka nilaza tamin’ny mpianatr’i Jesoa hoe: –Ahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?
Vao mainka nihamafy ny antsoantso; ary ny mpahay lalàna sasany, anisan’ny antoko Farisianina, dia tafatsangana ka nanohitra mafy nanao hoe: –Tsy ahitanay zava-dratsy mihitsy amin’io lehilahy io. Angamba nisy fanahy na anjely niteny taminy.
Afaka mitsara ny zavatra rehetra ny olona manana ny Fanahin’Andriamanitra kanefa tsy azon’olona tsaraina.
Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo.