Dia lasa nankany amin’ny faritany manodidina ny tanàna atao hoe Kesaria-Filipo ry i Jesoa; ary nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: –Iza moa ny Zanak’olona, araka ny filàzan’ny olona Azy?
Marka 2:10 - DIEM PROTESTANTA Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak’olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka! Dia hoy i Jesoa tamin’ilay malemy: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona dia manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak’olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka! Dia hoy i Jesoa tamin’ilay malemy: Baiboly Katolika Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manam-pahefana etỳ an-tany hanafaka ny fahotana, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy: Baiboly Protestanta Malagasy Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin’ilay mararin’ny paralysisa): Malagasy Bible Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): La Bible en Malgache Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona* dia manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: |
Dia lasa nankany amin’ny faritany manodidina ny tanàna atao hoe Kesaria-Filipo ry i Jesoa; ary nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: –Iza moa ny Zanak’olona, araka ny filàzan’ny olona Azy?
Inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza amin’ity malemy ity hoe: «Voavela ny helokao», sa ny milaza aminy hoe: «Mitsangàna, ka batao ny fandrianao ary mandehana»?
Efa nasandratr’Andriamanitra eo ankavanany Izy ka tonga Mpitari-dalana sy Mpamonjy mba hahazoan’ny vahoaka Israely miala amin’ny toe-dratsy sady mandray famelan-keloka.