Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 16:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Dia lasa nankany amin’ny faritany manodidina ny tanàna atao hoe Kesaria-Filipo ry i Jesoa; ary nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: –Iza moa ny Zanak’olona, araka ny filàzan’ny olona Azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Rehefa tonga tany amin’ny faritanin’i Kaisarian’i Filipo Jesosy dia nanontany ny mpianany Izy hoe: Lazain’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia lasa nankany amin’ny faritany manodidina ny tanàna atao hoe Kesaria-Filipo ry i Jesoa; ary nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: –Iza moa ny Zanak’olona, araka ny filàzan’ny olona Azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ary nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa dia nanontany ny mpianany hoe: «Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 ARY rehefa tonga tany amin’ny fari-tanin’i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 16:13
23 Rohy Ifampitohizana  

«Dia mbola nijery ny fahitana azoko tamin’ny alina ihany aho, ka indro nisy tahaka ny zanak’olona tonga teny amin’ny rahon’ny lanitra; ary nankeo amin’ilay Antidahy izy sady nampanakaikezina azy.


Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin’izao fiainana izao na amin’ny fiainan-ko avy.


Nitoetra telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny trozona i Jônà; toy izany koa, hitoetra telo andro sy telo alina ao an-kibon’ny tany ny Zanak’olona.


Eny, ananan’ny Zanak’olona fahefana ny sabata.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona;


Hirahin’ny Zanak’olona ny anjeliny; ary ny anjely no hanaisotra tsy ho eo amin’ny Fanjakan’ny Zanak’olona izay rehetra mpitaona ny hafa hanota sy izay mpanao ratsy,


Dia niala teo i Jesoa ary nankany amin’ny faritanin’i Tiro sy i Sidôna.


Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.


Lazaiko marina aminareo fa ny sasany amin’izay manatrika eto dia tsy ho faty raha tsy efa mahita ny Zanak’olona tonga amin’ny maha mpanjaka Azy.


–Rehefa ho avy amin’ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak’olona sady hotronin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany mamirapiratra.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny fosa manan-davaka ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra!


Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak’olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka! Tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ilay malemy: –Mitsangàna, batao ny fandrianao ka ndeha mody!


Satria tsy hotompoina no nahatongavan’ny Zanak’olona, fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!


Mpivadika amin’Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan’ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona, rehefa ho avy otronin’ny anjely masina sady ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy.


Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin’ny anjelin’Andriamanitra miaka-midina eo ambonin’ny Zanak’olona!


Ka hoy ny vahoaka namaly Azy: –Efa renay tamin’ny bokin’ny lalàna fa maharitra mandrakizay ny Mesia; ka ahoana no ilazanao hoe: tsy maintsy hasandratra ny Zanak’olona? Iza moa izany Zanak’olona izany?


Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny bibilava varahina tany an-taniefitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona


Ary nomen’ny Ray fahefana hitsara Izy, satria Zanak’olona.


nandrotsahan’Andriamanitra ny herin’ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefàn’ny devoly, satria nombàn’Andriamanitra Izy.


ary niteny hoe: –Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak’olona mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra