Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia lasa nandeha tamin’alahelo, satria nanan-karem-be.
Marka 16:10 - DIEM PROTESTANTA Io indray lasa nitantara tamin’ireo mpomba an’i Jesoa, izay mbola nisaona sy nitomany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nandeha i Maria ka nilaza tamin’ireo izay efa nomba an’i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Io indray lasa nitantara tamin’ireo mpomba an’i Jesoa, izay mbola nisaona sy nitomany. Baiboly Katolika Ka lasa io nilaza izany tamin’ireo mpanaraka Azy, izay mbola nalahelo sy nitomany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Maria nandeha ka nilaza tamin’ireo efa nomba an’i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany. Malagasy Bible Ary Maria nandeha ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany La Bible en Malgache Ary nandeha i Maria ka nilaza tamin’ireo izay efa nomba an’i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany. |
Nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia lasa nandeha tamin’alahelo, satria nanan-karem-be.
Amin’izay dia hiseho eny amin’ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak’olona; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak’olona tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka sady ombàn-kery sy voninahitra lehibe.
Dia hoy i Jesoa taminy: –Moa azon’ireo mpanotrona ny mpampaka-bady atao ve ny misaona raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra? Tsia. Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy, ka amin’izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.
Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany; ka tsaroan’i Petera ilay tenin’i Jesoa fony Izy nilaza taminy hoe: «Raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia nigogogogo nitomany i Petera.
Dia hoy i Jesoa taminy: –Inona izao iadianareo hevitra etỳ an-dalana izao? Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika erỳ.
Dia lasa i Maria Magdalena ka nanambara tamin’ny mpianatra hoe: –Efa nahita ny Tompo aho! Ary nambarany koa ireo hafatra nambaran’i Jesoa taminy.