Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 16:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Rehefa nitsangana velona i Jesoa ny alahady vao maraina be, dia tamin’i Maria avy any Magdalà, ilay nandroahany demony fito, no nisehoany voalohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Rehefa tafatsangana tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro Jesosy dia niseho voalohany tamin’i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Rehefa nitsangana velona i Jesoa ny alahady vao maraina be, dia tamin’i Maria avy any Magdalà, ilay nandroahany demony fito, no nisehoany voalohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Rehefa nitsangan-ko velona i Jesoa ny marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia i Maria Madelenina, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary rehefa nitsangana tamin’ny marain’ny andro voalohany amin’ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin’i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 [Ary rehefa nitsangana tamin'ny marain'ny andro voalohany amin'ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin'i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Rehefa tafatsangana tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro Jesosy dia niseho voalohany tamin’i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia* fito, Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 16:9
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia lasa i Namahàna nilaza tamin’ny mpanjaka ny zavatra nambaran’ilay zazavavikely israelita taminy.


Anisan’ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Maria renin-dry i Jakôba sy i Jôsefa mirahalahy, ary ny vadin’i Zebedeo.


Nisy vehivavy maromaro koa nitazana avy eny lavidavitra teny ka anisan’ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Salôme ary i Maria renin-dry i Jakôba kely sy i Jôsèta mirahalahy.


Ary nataon’i Maria avy any Magdalà sy i Maria renin’i Jôsèta tsara jery ny toerana nametrahan’i Jôsefa an’i Jesoa.


Dia nivoaka ny fasana izy telo vavy, ka lasa nandositra niala teo fa tora-kovitra sady talanjona; nefa tsy nilaza na inona na inona tamin’olona, satria natahotra. [


ireo vehivavy ireo dia i Maria avy any Magdalà sy i Jôhanina ary koa i Maria renin’i Jakôba; ireo vehivavy niaraka tamin’izy telo vavy dia samy nilaza izany koa tamin’ny apôstôly.


ary koa ireo vehivavy sasany izay nositraniny tamin’ny fanahy maloto sy ny aretina: dia i Maria, antsoina hoe Magdalèna, izay nialana demony fito,


ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka teo amin’izay nandrian’ny vatan’i Jesoa: ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra.


Tafavory izahay rehetra ny asabotsy maty masoandro hiara-mihinana ny sakafo iombonana, ary niteny tamin’ny mpivory i Paoly. Noho izy tsy maintsy handeha ny maraina, dia nitoriteny hatramin’ny sasakalina.


Isan’alahady dia samia mba manokana vola ao aminy avy arakaraka izay vola miditra ka hitahiry izany, mba tsy hilaina intsony ny hamoriam-bola amin’ny fahatongavako.


Nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho tamin’ny andron’ny Tompo, ka nahare feo mahery tao ivohoko, dia feo mahery tahaka ny feon-trompetra


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra