Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 14:9 - DIEM PROTESTANTA

Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran’izao tontolo izao hanambarana ny Vaovao Mahafaly, dia holazaina koa izao nataon’ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza no hitoriana ny Filazantsara eto amin’izao tontolo izao dia hotantaraina koa izao nataon-dRavehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran’izao tontolo izao hanambarana ny Vaovao Mahafaly, dia holazaina koa izao nataon’ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin’izao tontolo izao, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fankalazana azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza no hitoriana ny Filazantsara eto amin’izao tontolo izao dia hotantaraina koa izao nataon-dRavehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.

Jereo ny toko



Marka 14:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary hijanona eo amin’ny tempolin’ny TOMPO ilay satroboninahitra ho fampahatsiarovana an’i Helday sy i Tôbià ary i Jedahià, ary koa ho fampahatsiarovana ny fahalalaham-pon’ilay zanakalahin’i Tsefanià.


Dia napetrak’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tao amin’ny Tranolay fihaonana ny volamena rehetra nomen’ny manamboninahitra miaramila, mba hahatsiarovan’ny TOMPO ireo Israelita.


Ary dia hatao antso avo eran’izao tontolo izao ity Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’Andriamanitra ity, mba ho vavolombelona amin’ny firenen-drehetra; izay vao ho tonga ny farany.


Fa na aiza na aiza misy ny faty dia any no hifamotoanan’ny voromahery.


Dia hoy koa i Jesoa taminy: –Mandehana eran’izao tontolo izao, torio amin’ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly.