Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 14:57 - DIEM PROTESTANTA

Dia nisy nitsangana niampanga lainga an’i Jesoa toy izao:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitsangana ny sasany ka niampanga lainga Azy hoe:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nisy nitsangana niampanga lainga an’i Jesoa toy izao:

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony inona dia nisy nitsangana niampanga lainga Azy nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitsangana ny sasany ka niampanga lainga Azy hoe:

Jereo ny toko



Marka 14:57
9 Rohy Ifampitohizana  

–Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»


ka nanao hoe: –Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manorina azy anatin’ny telo andro ity, vonjeo ny tenanao, raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, ary midîna avy eo amin’ny hazofijaliana!


Eny, maro ireo niampanga lainga an’i Jesoa, nefa tsy nifanaraka ny fiampangana nataony.


–Renay ilay io nanao hoe: «Horavako ity tempoly nataon-tanan’olombelona ity, ary ao anatin’ny telo andro, dia hanorina hafa tsy nataon-tanan’olombelona Aho.»


Dia nanevateva an’i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe: –Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin’Andriamanitra ary manangana azy ao anatin’ny telo andro!