Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 14:44 - DIEM PROTESTANTA

Ilay hanolotra an’i Jesoa dia efa nanome famantarana an-dry zareo hoe: «Izay horohako no Izy ka sambory, dia ento ka ambeno tsara.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ilay hanolotra Azy dia efa nanome famantarana tamin’ireo ka niteny hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento dia ataovy tsara ambina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ilay hanolotra an’i Jesoa dia efa nanome famantarana an-dry zareo hoe: «Izay horohako no Izy ka sambory, dia ento ka ambeno tsara.»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izy ireo dia efa nomen’ilay mpamadika Azy famantarana toy izao: «Izay horohako no Izy, ka sambory, ary ento tsy amim-pisalasalana.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ilay hanolotra Azy dia efa nanome famantarana tamin’ireo ka niteny hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento dia ataovy tsara ambina.

Jereo ny toko



Marka 14:44
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa ho anareo kosa, ny ra dia ho famantarana ny trano izay itoeranareo; koa raha mahita ny ra Aho, dia handalo fotsiny, ka ny areti-mandringana dia tsy hahazo anareo rehefa mamely an’i Ejipta Aho.


Ny tsikera ataon-tsakaiza dia itokiana hahasoa fa ny oroky ny fahavalo kosa mamitaka.


Mitsangàna, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy!


Ary niaraka tamin’izay, raha mbola miteny eo i Jesoa, dia tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary andian’olona nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ary loholona, no tafaraka taminy.


Vao tonga i Jodasy, dia nanatona an’i Jesoa avy hatrany ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô! Dia nanoroka Azy i Jodasy.


Nony avy nandalasina kapoka izy roa lahy, dia nampidirina am-ponja ka nofeperana ilay mpiambina mba hanao andrimaso azy tsara.


Aoka tsy ho azon’ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin’inona na amin’inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin’Andriamanitra.


Soratanako ireto teny ireo: veloma, hoy i Paoly. Io no sonia famantarana ny taratasiko rehetra; izao no soratro.


Ary ankehitriny, aoka hianiananareo amin’ny Tompo aho fa hamindranareo fo ny fianakaviako tahaka izay namindrako fo taminareo: koa mba omeo famantarana azo antoka aho