Isan’alina aho eo am-pandriako iny dia mitady ilay tiako; tadiaviko izy fa tsy hitako.
Marka 13:36 - DIEM PROTESTANTA Tandremo sao tonga tampoka izy ka hitany matory ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fandrao avy tampoka Izy ka mahita anareo matory. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tandremo sao tonga tampoka izy ka hitany matory ianareo. Baiboly Katolika fandrao tonga tampoka izy ka tratrany matory ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. Malagasy Bible fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. La Bible en Malgache fandrao avy tampoka Izy ka mahita anareo matory. |
Isan’alina aho eo am-pandriako iny dia mitady ilay tiako; tadiaviko izy fa tsy hitako.
Matory aho fa ny foko mahatsiaro ihany. Injay reko ny malalako izay mandondòna sady miteny hoe: «Vohay aho, ry havako fofombadiko, ry ilay voromahailalako tsy misy tomika. Fa rakotra ando ny lohako; ary kotsan’ireo patrakalan’ny alina ny volon-dohako milantolanto.»
Jamba avokoa ireo mpiahy ny vahoaka Israely ka samy tsy mahalala na inona na inona. Alika moana izy rehetra ka tsy mahavòvò, fa manonofy fotsiny sy mitsotsotra satria ny matory no tiany.
Andrasana ela ny fiavian’ny mpampakatra, ka dia samy rendremana avokoa izy folo vavy ary natory.
Dia niverina nankeo amin’izy telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera: –Matory ve ianao, ry Simôna? Tsy nahari-tory adiny iray akory ve ianao?
Nony niverina nankeo amin’izy telo lahy Izy, dia mbola nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony ka tsy hitany izay havaly an’i Jesoa.
–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany,
Nony nitsangana avy nivavaka i Jesoa, dia nankeo amin’ny mpianany, ka nahita azy ireo natory noho ny alahelo.
eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe: «Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna ho velona avy any amin’ny maty, dia hampahazava anao i Kristy.»