Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 13:17 - DIEM PROTESTANTA

Loza no hanjo ny bevohòka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Loza ny hahazo ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Loza no hanjo ny bevohòka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Loza ny hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary lozan’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Loza ny hahazo ny bevohoka sy ny mampinono amin’izany andro izany!

Jereo ny toko



Marka 13:17
12 Rohy Ifampitohizana  

Ny reny tokony ho feno fitiavana aza no nirotsaka nahandro ny zanany; dia izany no nataony sakafo tamin’ny fandringanana nahazo ny vahoakako.


TOMPO ô, inona no sazy mba homenao azy? Ataovy momba sy tsy afa-mampinono ireo vehivavy ao aminy!


Ka hoy ry zareo tamin’i Jesoa: –Renao ve izay lazain’ireo? Dia novaliany hoe: –Eny, reko tokoa! Sady tsy mbola novakînareo ve ny andinin’ny Soratra Masina hoe: «Ny vavan’ny ankizy madinika aman-jaza minono avy no nataonao hahazoan-dera»?


izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.


Mivavaha mba tsy ho amin’ny ririnina no hahatongavan’izany.


Loza no hanjo ny bevohòka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany, satria hisy fahoriana lehibe amin’ity tany ity ary hihatra amin’ity vahoaka ity ny fahatezeran’Andriamanitra.


Eny, ho avy ny andro hilazana hoe: «Sambatra ny vehivavy momba, tsy niteraka sady tsy nampinono!»