Nisehoan’ny TOMPO izy nony alina ka nilazany hoe: –Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao. Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, ary mitahy anao. Hampitomboiko ny taranakao noho ny fampanantenana efa nataoko tamin’i Abrahama mpanompoko.
Marka 12:26 - DIEM PROTESTANTA Ary ny amin’ny hoe hitsangana ho velona ny maty, moa tsy novakînareo ao amin’ny bokin’i Mosesy ve ny toko momba ny Roimemy? Fa ao no nitenenan’Andriamanitra tamin’i Mosesy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Itsehàka ary Andriamanitr’i Jakôba!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa momba ny fitsanganan’ny maty, mbola tsy novakinareo va ny ao amin’ny Bokin’i Mosesy, eo amin’ilay teny milaza ny roimemy, dia ny nanaovan’Andriamanitra taminy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba» (Eks 3.6)? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny amin’ny hoe hitsangana ho velona ny maty, moa tsy novakînareo ao amin’ny bokin’i Mosesy ve ny toko momba ny Roimemy? Fa ao no nitenenan’Andriamanitra tamin’i Mosesy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Itsehàka ary Andriamanitr’i Jakôba!» Baiboly Katolika Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ao amin’ny bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy, izay nilazan’Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, sy Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba? Baiboly Protestanta Malagasy Ka ny amin’ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin’ny bokin’i Mosesy, eo amin’ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan’Andriamanitra taminy hoe: ,,Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’’? (Eks. 3. 6) Malagasy Bible Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? (Eks. 3. 6.) La Bible en Malgache Koa momba ny fitsanganan’ny maty, mbola tsy novakinareo va ny ao amin’ny Bokin’i Mosesy, eo amin’ilay teny milaza ny roimemy, dia ny nanaovan’Andriamanitra taminy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba» (Eks 3.6)? |
Nisehoan’ny TOMPO izy nony alina ka nilazany hoe: –Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao. Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, ary mitahy anao. Hampitomboiko ny taranakao noho ny fampanantenana efa nataoko tamin’i Abrahama mpanompoko.
Ary niseho teo anoloan’i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe: –Izaho no TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama raibenao sy Andriamanitr’i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao.
Raha tsy nomba ahy ny Andriamanitr’i Abrahama raibeko, ilay Andriamanitra nampihorohoro an’i Itsehàka, dia ho nalefanao nitondra tanam-polo aho ankehitriny. Fa nahita ny fijaliako sy ny hasasarako Andriamanitra ka nananatra anao halina.
fa hoy izy anakampony: «Raha tonga hamely ny antoko iray i Hesao, dia afa-mandositra kosa ny antoko hafa.»
Dia nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe Ela-Elôhe-Israely ny anaran’ilay alitara.
Mandehana, vorio ny loholon’i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta;
Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro;
Rehefa hitsangana velona ny maty, dia tsy hisy olona hampaka-bady na hampakarina intsony, fa samy hitovy amin’ny anjely any an-danitra avokoa.
Ny amin’ny hoe hitsangana velona ny maty dia efa nambaran’i Mosesy ao amin’ny toko momba ny Roimemy izany, fony izy niantso ny Tompo hoe: «Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Itsehàka ary Andriamanitr’i Jakôba.»
Hoy kosa i Jesoa taminy: –Aoka ianao tsy hitazona Ahy, satria tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho. Fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ilay Raiko sady Rainareo Aho, ary ho any amin’ilay Andriamanitro sady Andriamanitrareo.
Tsia, Andriamanitra tsy nanary ny vahoakany, izay efa nofidiny rahateo. Ataoko fa fantatrareo izay lazain’ny Soratra Masina ao amin’ny tantaran’i Elià, fony i Elià nitaraina tamin’Andriamanitra ny amin’i Israely nanao hoe: