Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Indro Aho hametraka vato iray ao Tsiôna mba hizahan-toetra anareo, dia vato fehizoro sarobidy natao ho fanorenana mafy; ka izay matoky azy tsy hihontsina.
Marka 12:10 - DIEM PROTESTANTA Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary mbola tsy novakinareo va izao Soratra Masina izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no efa natao fehizoro; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; Baiboly Katolika Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro; Baiboly Protestanta Malagasy Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao: ,,Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; Malagasy Bible Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; La Bible en Malgache Ary mbola tsy novakinareo va izao Soratra Masina izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no efa natao fehizoro; |
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Indro Aho hametraka vato iray ao Tsiôna mba hizahan-toetra anareo, dia vato fehizoro sarobidy natao ho fanorenana mafy; ka izay matoky azy tsy hihontsina.
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy novakînareo tao amin’ny Soratra Masina angaha izay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’ireo olona niaraka taminy?
Dia izao no navalin’i Jesoa: –Tsy mbola novakînareo tao amin’ny Soratra Masina ve fa ilay Mpahary, hatrany am-piandohana, dia «nanao ny olona ho lahy sy vavy»,
Ka hoy ry zareo tamin’i Jesoa: –Renao ve izay lazain’ireo? Dia novaliany hoe: –Eny, reko tokoa! Sady tsy mbola novakînareo ve ny andinin’ny Soratra Masina hoe: «Ny vavan’ny ankizy madinika aman-jaza minono avy no nataonao hahazoan-dera»?
Ary izao no tenin’i Jesoa tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina: –Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; avy amin’ny Tompo izao, ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!»
Ary momba ny hoe fitsanganan’ny maty ho velona, moa tsy novakînareo ao amin’ny bokin’i Mosesy ve ilay voalazan’Andriamanitra taminareo hoe:
Ary ny amin’ny hoe hitsangana ho velona ny maty, moa tsy novakînareo ao amin’ny bokin’i Mosesy ve ny toko momba ny Roimemy? Fa ao no nitenenan’Andriamanitra tamin’i Mosesy hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Itsehàka ary Andriamanitr’i Jakôba!»
Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka? Ho avy izy ka ny mpamboly haringany ary ny tanimboaloboka homeny olon-kafa.
–Ho hitanareo eo amin’izay tsy tokony hisy azy «ilay fanimbazimbana mahatsiravina.» (Aoka hahazo tsara izay mamaky).
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy mbola novakînareo tao amin’ny Soratra Masina angaha izay nataon’i Davida raha tsy nanan-kohanina ka noana izy mbamin’ireo olona niaraka taminy?
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tsy novakînareo tao amin’ny Soratra Masina ve izay nataon’i Davida, raha noana izy mbamin’ireo olona niaraka taminy?
araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Indro Aho mametraka vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera ao Tsiôna; kanefa izay mino Azy tsy mba hangaihay.»