Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 11:22 - DIEM PROTESTANTA

Namaly i Jesoa ka nanao tamin’ireo mpianany hoe: –Manàna finoana an’Andriamanitra!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy Jesosy tamin’ny mpianatra: Manàna finoana an’Andriamanitra ianareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Namaly i Jesoa ka nanao tamin’ireo mpianany hoe: –Manàna finoana an’Andriamanitra!

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: «Manàna finoana an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an'Andriamanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy Jesosy tamin’ny mpianatra: Manàna finoana an’Andriamanitra ianareo.

Jereo ny toko



Marka 11:22
10 Rohy Ifampitohizana  

Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin’i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin’ny taniefitr’i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe: –Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin’i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny, dia handresy ianareo!


Miankina amin’Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro; Andriamanitra no Vatolampy ianteherako mafy sy fialofako.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Avia! Ary niala tao an-tsambokely i Petera ka nandeha teny ambony rano hankeny amin’i Jesoa.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ», dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. [


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izao no lazaiko marina aminareo; raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy izao nataoko tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hitenenanareo hoe: «Mialà eo ary mianjerà any an-dranomasina», dia ho tonga izany.


Fa hoy ny navalin’i Jesoa azy: –Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan’izay mino!


Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Aoka tsy hangorohoro ny fonareo: minoa an’Andriamanitra ianareo, ary mino Ahy koa.


fa tamin’ny nanaovana batisa anareo, dia niara-nilevina tamin’i Kristy ianareo ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin’ilay Andriamanitra nanangana Azy ho velona avy tany amin’ny maty.


Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’Andriamanitra sy apôstôlin’i Jesoa Kristy. Nirahina aho hampandroso ny finoan’ireo olom-boafidin’Andriamanitra ary hampahalala azy ny fampianarana marim-pototra mifanaraka amin’ny fivavahantsika,