Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 21:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izao no lazaiko marina aminareo; raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy izao nataoko tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hitenenanareo hoe: «Mialà eo ary mianjerà any an-dranomasina», dia ho tonga izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary Jesosy namaly azy ireo hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala dia tsy izao natao tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ity tendrombohitra ity aza ianareo hoe: Mifindrà ka mianjerà any anaty ranomasina, dia ho tonga izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izao no lazaiko marina aminareo; raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy izao nataoko tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hitenenanareo hoe: «Mialà eo ary mianjerà any an-dranomasina», dia ho tonga izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ary i Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: «Izaho milaza marina aminareo, fa raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy ny natao tamin’ny aviavy ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hilazanareo hoe: ‹Mialà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina›, dia ho tonga izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana hianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ity tendrombihitra ity aza hianareo ka hanao hoe: Mifindrà hianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 21:21
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia novalian’i Jesoa hoe: –Avia! Ary niala tao an-tsambokely i Petera ka nandeha teny ambony rano hankeny amin’i Jesoa.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ», dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. [


Gaga ny mpianatra nahita izany ka vaky vava hoe: –Ahoana re no nahamaina vetivety io aviavy io?


Ireo natao handova ny Fanjakàn’ny lanitra kosa dia horoahina any amin’ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.


Na dia manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra aza aho ka hahatakatra ny zava-miafina rehetra sady ho feno ny fahaizana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra ilaina mba hahafindra tendrombohitra aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona ihany.


Tsy maintsy mino tsara anefa izy rehefa mangataka, fa tsy hiahanahana; satria izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina tsofin’ny rivotra sy atopatopany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra