Nasainy ny tany, nesoriny ny vato, ary voaloboka voafantina no namboleny tao. Nanao tilikambo teo afovoany izy ary koa nandavaka famiazam-boaloboka; dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy kanjo namoa voalobo-dratsy.
Marka 11:13 - DIEM PROTESTANTA Nahatazana aviavy anankiray nandrobona Izy; ka lasa nankeo nizaha raha sendra nisy voany; kanjo nony tonga teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy raviny fotsiny, satria tsy fotoanan’ny aviavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nahatsinjo hazo aviavy mandravina iray terỳ lavidavitra Izy dia nankeo, sao mba hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo Izy dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina ihany, fa mbola tsy fotoana famoazan’ny aviavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahatazana aviavy anankiray nandrobona Izy; ka lasa nankeo nizaha raha sendra nisy voany; kanjo nony tonga teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy raviny fotsiny, satria tsy fotoanan’ny aviavy. Baiboly Katolika ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan’ny aviavy tamin’izay. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan’ny aviavy. Malagasy Bible Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan'ny aviavy. La Bible en Malgache Ary nahatsinjo hazo aviavy mandravina iray terỳ lavidavitra Izy dia nankeo, sao mba hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo Izy dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina ihany, fa mbola tsy fotoana famoazan’ny aviavy. |
Nasainy ny tany, nesoriny ny vato, ary voaloboka voafantina no namboleny tao. Nanao tilikambo teo afovoany izy ary koa nandavaka famiazam-boaloboka; dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy kanjo namoa voalobo-dratsy.
Ny taranak’i Israely no voaloboky ny TOMPO, dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao, ary ny olona eto Joda no voly tiany indrindra. Fitandroana ny rariny no nantenain’ny TOMPO kanjo ny tsy rariny no teo; ary fahamarinana no nandrandrainy, kanjo kiakiam-pitarainana no teo.
Nahatazana aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia lasa nankeo; kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy afa-tsy raviny fotsiny. Dia hoy i Jesoa tamin’ilay aviavy: –Tsy hamoa intsony ianao na oviana na oviana! Ary vetivety foana dia maina ilay aviavy.
Ny ampitson’iny, raha niala tao Betania i Jesoa sy ny mpianany, dia nahatsiaro noana i Jesoa.
Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ilay aviavy hoe: –Tsy hisy olona hihinana voa avy aminao intsony na oviana na oviana! Ary ren’ny mpianany izany.
Sendra nisy mpisorona nidina tamin’izany lalana izany; fa nony nahatazana an-dralehilahy izy, dia nidify lalana nandalo fotsiny.
Dia lasa i Rota ka nandeha nitsimpona teny an-tanimbary, teo aorian’ny mpijinja; ary sendra tao amin’ny tanimbary izay anjaran’i Bôhaza, fianakavian’i Elimelèka indrindra, no nandehanany.
Ho hitanareo tsara fa raha mihazo ny lalana mankany amin’ny tanin’i Israely ka mizotra ho any Bèty-Semesy ireo ombivavy, dia midika izany fa ny Andriamanitry ny Israely no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; raha tsy izany kosa dia ho fantatsika fa kisendrasendra ihany fa tsy ny heriny akory no namely antsika.