Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 10:5 - DIEM PROTESTANTA

Hoy koa i Jesoa taminy: –Noho ianareo mafy fo no nanoratan’i Mosesy izany didy izany ho anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hoy koa i Jesoa taminy: –Noho ianareo mafy fo no nanoratan’i Mosesy izany didy izany ho anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa hoy kosa i Jesoa: «Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.

Jereo ny toko



Marka 10:5
8 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa nikomiany sy niodinany Ianao, nariany lavitra azy ny lalànao, novonoiny ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hiverina aminao; koa notevatevainy tokoa Ianao.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Noho ianareo mafy fo no namelan’i Mosesy anareo hanary vady, fa tsy toy izany hatrany am-piandohana.


Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo.


Mety misy lehilahy naka vady sy efa nampakatra azy; kanefa tafara tsy tia azy intsony ralehilahy noho ny ahitany zavatra azo kianina eo amin-dravehivavy. Dia hanoratra taratasy fanariam-bady ho an-dravehivavy izy sy hanolotra izany eo an-tanany ka hampiala azy ao an-tranony.


Fantatro fa maditra sy mafy hatoka ireo; izao ankehitriny mbola velona eto aminy izao aza aho, dia efa nikomy tamin’ny TOMPO ireo, ka mainka rehefa maty aho.


Koa aoka ho fantatrareo fa tsy ny fahamarinanareo no anomezan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany tany soa izany ho fanananareo. Vahoaka mafy hatoka manko ianareo.