Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 10:3 - DIEM PROTESTANTA

Fa novalian’i Jesoa hoe: –Inona no didy nomen’i Mosesy anareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary Izy namaly azy ireo hoe: Inona no nandidian’i Mosesy anareo?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa novalian’i Jesoa hoe: –Inona no didy nomen’i Mosesy anareo?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary izao no navaliny azy ireo: «Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian’i Mosesy anareo?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary Izy namaly azy ireo hoe: Inona no nandidian’i Mosesy anareo?

Jereo ny toko



Marka 10:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.


Dia nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba hamandrika Azy ka nanontany Azy hoe: –Azon’ny lehilahy atao ve ny manary vady?


Dia hoy iretsy hoe: –Navelan’i Mosesy «hanao taratasy fisaraham-panambadiana sy hanary vady» ny lehilahy.


Ary indro tamy ity mpahay lalàna anankiray ka nanao fanontaniana fandrika tamin’i Jesoa hoe: –Mpampianatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay?


Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ao no heverinareo hahavelona aina mandrakizay; ireo Soratra Masina ireo indrindra no mijoro ho vavolombelona manambara Ahy,


Hono ho’aho, ianareo izay te hofehezin’ny lalàna, tsy renareo ve izay ambaran’ny lalàna?