Tahaka ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy ka manangona ireny amin’ny baikon-tanany; trotroiny eo an-tratrany ny zanak’ondry ary roahiny miadana ny ampianahany.»
Marka 10:16 - DIEM PROTESTANTA Avy eo dia notrotroin’i Jesoa ireo zaza ireo ary nametrahany tanana ka notsofiny rano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nitrotro azy Izy dia nametra-tanana taminy ka nitsodrano azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia notrotroin’i Jesoa ireo zaza ireo ary nametrahany tanana ka notsofiny rano. Baiboly Katolika Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy ka nitso-drano azy. Malagasy Bible Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy. La Bible en Malgache Ary nitrotro azy Izy dia nametra-tanana taminy ka nitsodrano azy. |
Tahaka ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy ka manangona ireny amin’ny baikon-tanany; trotroiny eo an-tratrany ny zanak’ondry ary roahiny miadana ny ampianahany.»
Raha mbola teo am-pisakafoana iny i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny mpianany ka nataony hoe: –Raiso fa ny tenako ity!
Dia nandray zazakely i Jesoa, napetrany teo ampovoan’izy rehetra ary dia notrotroiny ka hoy Izy: