Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 10:15 - DIEM PROTESTANTA

Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny Fanjakàn’Andriamanitra toy ny andraisan’ny ankizy madinika azy, dia tsy ho tafiditra ao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy mandray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra ao aminy akory.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny Fanjakàn’Andriamanitra toy ny andraisan’ny ankizy madinika azy, dia tsy ho tafiditra ao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy mandray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza dia tsy ho tafiditra ao aminy akory.

Jereo ny toko



Marka 10:15
6 Rohy Ifampitohizana  

ka hoy Izy: –Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra mihitsy ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.


fa hoy kosa i Jesoa: –Avelao ny ankizy madinika hanatona Ahy, fa aza raràna, satria an’ny toa azy ireny ny Fanjakàn’ny lanitra.


Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny Fanjakàn’Andriamanitra toy ny andraisan’ny zazakely azy, dia tsy ho tafiditra ao.


Ry havako, aoka tsy ho zaza ianareo amin’ny fisainana; eny, raha momba ny ratsy dia aoka ho zaza ianareo, fa raha amin’ny fisainana dia aoka ho olondehibe.


Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin’Andriamanitra, mba hitomboanareo amin’izany ka hahazoanareo famonjena,