Marka 1:42 - DIEM PROTESTANTA Avy hatrany dia nialan’ny aretin-koditra nahazo azy ralehilahy ka nadio. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokana ka nadio izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy hatrany dia nialan’ny aretin-koditra nahazo azy ralehilahy ka nadio. Baiboly Katolika Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy. Malagasy Bible Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy. La Bible en Malgache Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokana ka nadio izy. |
Tamin’izay dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe: –Lehibe ny finoanao, ramatoa; aoka ho tonga aminao araka izay irînao. Ary nanomboka tamin’io ora io dia sitrana ilay zanany vavy.
Dia nanatona azy i Jesoa ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy. Nialan’ny tazo ravehivavy, ka nandroso sakafo ho an’ireo vahiny.
Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao.
Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsapany tao amin’ny tenany fa sitrana tsy nandeha ra intsony izy.