Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 1:14 - DIEM PROTESTANTA

Ary naiditra am-ponja i Jôhany. Taorian’izay, dia nankany Galilea i Jesoa, nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa voasambotra i Jaona dia nankany Galilia Jesosy nitory ny Filazantsaran’Andriamanitra

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary naiditra am-ponja i Jôhany. Taorian’izay, dia nankany Galilea i Jesoa, nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary rehefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’Andriamanitra

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa voasambotra i Jaona dia nankany Galilia Jesosy nitory ny Filazantsaran’Andriamanitra

Jereo ny toko



Marka 1:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Ren’i Jôhany Mpanao batisa tao am-ponja ny asa nataon’i Jesoa, ka nisy nirahin’i Jôhany ny mpianany


ary hoy izy tamin’ny mpanompony: –I Jôhany Mpanao batisa izay: efa maty izy no velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.


Nony ren’i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany, dia lasa nankany Galilea Izy.


Hatramin’izay i Jesoa dia nanomboka nitoriteny ka nanao hoe: –Ialao ny toe-dratsy, fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra.


Ary nitety an’i Galilea manontolo i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôgan-dry zareo ary nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra sady nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra teo amin’ny vahoaka.


Ary nitety tanàn-dehibe sy tanàna kely rehetra i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôgan-dry zareo sy nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra ary nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.


Kanjo vao mainka nanampy heloka indray i Herôda, fa nanidy an’i Jôhany tao am-ponja.


Taorian’izany, lasa nitety tanàn-dehibe sy tanàna kely i Jesoa nitoriteny sy nanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’Andriamanitra. Niaraka tamin’i Jesoa ny 12 lahy


Noteteziko avokoa ianareo rehetra ka nitoriako ny Fanjakàn’Andriamanitra; fantatro anefa ankehitriny fa tsy hahita ahy intsony ianareo.


Dia nanao fotoana tamin’i Paoly ireo, ka nihamaro ny tonga tamin’ny andro voatendry, tao amin’ny trano nitoerany. Hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro, dia nanao famelabelarana i Paoly; vavolombelona nanambara ny Fanjakàn’Andriamanitra izy ary niezaka nandresy lahatra azy ireo momba an’i Jesoa, tamin’ny teny notsoahany avy amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany.


Avy amiko Paoly mpanompon’i Kristy Jesoa ity taratasy ity, dia izaho nantsoin’Andriamanitra ho apôstôly, ary natokany mba hampahafantatra ny Vaovao Mahafaly avy aminy.


Izany no nahatongavan’i Kristy nitory Vaovao Mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an’Andriamanitra sy taminay Jiosy izay akaiky Azy.