Ka dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema; ary hataony ohatra hampihoron-koditra sy hampahonena ary hoenti-maneso, toy izao mbola hitanareo maso izao.
Malakia 1:5 - DIEM PROTESTANTA Hahita maso izany ianareo, ry Israelita, ka hahateny hoe: «Lehibe ny TOMPO, na dia hatrany ivelan’ny tanin’i Israely aza!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny masonareo no hahita ka hiteny ianareo hoe: NY TOMPO dia lehibe any ankoatran’ny tanin’ny Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hahita maso izany ianareo, ry Israelita, ka hahateny hoe: «Lehibe ny TOMPO, na dia hatrany ivelan’ny tanin’i Israely aza!» Baiboly Katolika Hahita maso izany ianareo, ka hifampilaza hoe: Hankalazaina anie i Iaveh eo amin’ny tanin’i Israely!» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny hianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin’ny Isiraely. Malagasy Bible Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin'ny Isiraely. La Bible en Malgache Ny masonareo no hahita ka hiteny ianareo hoe: NY TOMPO dia lehibe any ankoatran’ny tanin’ny Israely. |
Ka dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema; ary hataony ohatra hampihoron-koditra sy hampahonena ary hoenti-maneso, toy izao mbola hitanareo maso izao.
Hanafika an’i Israely vahoakako ianao, ka hanarona ny taniny toy ny andian-drahona matevina. Any aoriana be any no hisehoan’izany. Haniraka anao hanafika ny taniko Aho, ry Gôga, mba hieken’ny hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina; ary ianao no fitaovana hanehoako izany eo imasony amin’ny hamelezako anao.
Toy izany no hanehoako eo imason’ny firenen-kafa marobe fa Izaho dia Andriamanitra lehibe sady masina; amin’izay dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO.
Hivoaka ny tanànany ny Israelita, dia handrehitra afo miledaleda handorana ireo fiadian’ny fahavalony. Koa ny ampinga sy ny tsipîka ary ny zana-tsipîka mbamin’ny lefona sy ny langilangy dia hisy hanaovany afo mandritra ny fito taona.
izy no hitondra fiadanana! –Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina ka hitsofoka hatraty an-dapantsika, dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.
Efa nahita maso izay nataon’ny TOMPO noho ny amin’ilay Bahala tao Pehôra ianareo; fa ny olona rehetra nanompo an’io Bahala io taminareo, dia naringan’ny TOMPO Andriamanitrareo tsy ho eo aminareo intsony.
Tamin’izay ny razanareo no niantso vonjy tamiko TOMPO; koa nametrahako haizina mikitroka tanelanelan’ireo sy ny Ejiptianina sady nazerako tamin’ireto Ejiptianina ireto ny onjan-dranomasina ka nanafotra azy. Fantatrareo tsara izay efa nataoko hamelezana ny Ejiptianina! Avy teo dia nipetraka ela tany an-taniefitra ny razanareo.
Ary ankehitriny mivonòna ianareo hijery ny zava-mahagaga lehibe izay hataon’ny TOMPO eo imasonareo.