Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon’ny TOMPO tamin’izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.
Malakia 1:12 - DIEM PROTESTANTA Fa ianareo kosa manevateva izany amin’ny filazànareo fa ny alitaran’ny TOMPO dia tsy mendri-kaja, ary ny sakafo aterina eo dia tsizarizary. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa manamavo izany kosa ianareo amin’ny ilazanareo hoe: Voaloto ny latabatry NY TOMPO, ary ny hanina raisina avy eo dia tsinontsinona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ianareo kosa manevateva izany amin’ny filazànareo fa ny alitaran’ny TOMPO dia tsy mendri-kaja, ary ny sakafo aterina eo dia tsizarizary. Baiboly Katolika Ianareo kosa anefa mandoto azy, amin’ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’i Iaveh, ary ny vokatra avy aminy, dia hanina tsinontsinona. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hianareo kosa manamavo izany amin’ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona. Malagasy Bible Fa ianareo kosa manamavo izany amin'ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr'i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona. La Bible en Malgache Fa manamavo izany kosa ianareo amin’ny ilazanareo hoe: Voaloto ny latabatry NY TOMPO, ary ny hanina raisina avy eo dia tsinontsinona. |
Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon’ny TOMPO tamin’izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.
amin’ny alitara hazo izay mirefy iray metatra sy sasany ny haavony ary iray metatra ny sakany. Misy zorony sy fanambaniny ary sisiny hazo. Ka hoy ralehilahy tamiko: «Io no latabatra eo anatrehan’ny TOMPO.»
Ireo ihany no hiditra ao amin’ny Toerako masina sy hanatona ny latabatra natokana hanompoana Ahy. Hotandremany izay nasaiko hotandremana momba izany.
Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao.
«Aza misy omena hatao sorona dorana hanajana ny sampy Môlôka ny zanakao, satria manala baràka ny anaran’Andriamanitrao izany. Izaho no TOMPO.
Hitsahiny eo ambony vovo-tany ny lohan’ny osa, ary aviliviliny ny fitarainan’ny mpandefitra eo amin’ny fitsarana. Olona mianaka, dia mifandimby mandry amin’ny zatovovavy iray ihany mba hanevatevana ny anarako masina.
Miteny aza ianareo hoe: «Asa mafy re izany!» Dia tsy mba miraharaha Ahy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Biby nangalarina na mandringa na marary no atolotrareo amiko. Koa ataoko ahoana, hoy AHO, no fankasitraka izany avy amin’ny tananareo.
Fa ankehitriny efa nivily lalana ianareo mpisorona, ka nahasolafaka olona maro tamin’ny fampianaranareo. Noravanareo noho izany koa ny fanekempihavanako taminareo, hoy Izaho Tompon’izao rehetra izao.
Izany tokoa no ilay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Noho ianareo Jiosy ihany no anevatevana ny anaran’Andriamanitra any amin’ny hafa firenena.»