Amin’ny andro izay hiverenany ao an-kianja anatiny amin’ny Toeramasina, dia hanolotra sorona fanalana ny ota izy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Levitikosy 5:3 - DIEM PROTESTANTA «Raha misy olona mahakasika tsy nahy olona maloto na inona na inona fahalotoana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy mahakasika ny fahalotoan’olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, na tsy hitany aza izany, rehefa fantany fotsiny, dia meloka izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha misy olona mahakasika tsy nahy olona maloto na inona na inona fahalotoana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka. Baiboly Katolika toy izany koa izy, raha nahakasika tsy nahy fahalotoan’olona, na inona na inona izany, izay mety hahatonga ho maloto, ka mahita nony avy eo, dia mahazo fahotana izy. Baiboly Protestanta Malagasy na misy mikasika ny fahalotoan’olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy,– Malagasy Bible na misy mikasika ny fahalotoan'olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy, La Bible en Malgache Raha misy mahakasika ny fahalotoan’olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, na tsy hitany aza izany, rehefa fantany fotsiny, dia meloka izy. |
Amin’ny andro izay hiverenany ao an-kianja anatiny amin’ny Toeramasina, dia hanolotra sorona fanalana ny ota izy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Hozahan’ny mpisorona ny faritra misy aretina eo amin’ny hoditr’ilay olona; ka raha mandoaka hoditra no fahitana io faritra misy aretina io sady niova ho fotsy ny volo eo, dia aretina miendrika habokana izany. Ary rehefa voazahan’ny mpisorona ilay olona, dia hataony hoe maloto.
«Raha misy olona mahakasika tsy nahy zavatra maloto, toy ny fatim-biby maloto rehetra na bibidia na biby fiompy na biby mandady, dia manjary voaloto izy ary meloka.
«Raha misy olona manao vava latsaka mianiana hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona vava latsaka nombàny fianianana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka.
Ary izay nahakasika fahalotoana ara-pivavahana, na olona maloto na biby maloto na zavatra hafa maloto, kanefa mihinana amin’izany hena izany, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.»
Izay zavatra rehetra voakasiky ny olona maloto dia haloto; ary izay olona mikasika azy koa dia haloto mandra-paharivan’ny andro.»