Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 2:7 - DIEM PROTESTANTA

«Rehefa fanatitra voahandro amin’ny lapoaly no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra voaharo menaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha fanatitra avy amin’ny zavamaniry nahandroina tamin’ny vilany no atolotrao dia koba tsara toto asiana diloilo no atao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Rehefa fanatitra voahandro amin’ny lapoaly no atolotrao, dia aoka ho lafarinina tsara indrindra voaharo menaka.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Raha mofo mamy nandrahoina tamin’ny kasirôlina no atolotrao ho fanatitra dia hatao amin’ny lafarina tsara indrindra miharo diloilo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin’ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin'ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha fanatitra avy amin’ny zavamaniry nahandroina tamin’ny vilany no atolotrao dia koba tsara toto asiana diloilo no atao.

Jereo ny toko



Levitikosy 2:7
5 Rohy Ifampitohizana  

mamboatra ny mofo apetraka eo anatrehan’Andriamanitra, manomana ny lafarinina tsara indrindra hatao fanatitra, mahandro ny mofo manify tsy misy leviora sy ny mofo endasina amin’ny lapoaly ary ny mofo hafa isan-karazany, manamarina ny famarana sy fandrefesana rehetra.


Hovakivakînao izany ho tapatapany izay handrarahanao menaka: fanatitra vokatry ny tany izany.


«Hoentinao any amin’ny TOMPO ilay fanatitra voavoatra tamin’ireo karazan-javatra ireo; ary rehefa voatolotra ny mpisorona izany, dia harosony eo ambonin’ny alitara.


Ny fanatitra masaka rehetra, nendasina tamin’ny lafaoro na tamin’ny lapoaly na tamin’ny takela-by, dia an’ilay mpisorona manolotra azy.