Levitikosy 10:4 - DIEM PROTESTANTA Nampanalain’i Mosesy kosa ry i Misaela sy i Elitsafàna, samy zanakalahin’i Hoziela izay rahalahin-drain’i Aharôna, ka nilazany hoe: Manatona ianareo ka ento ny fatin’ny havanareo hiala eo amin’ny Toeramasina, ho any ivelan’ny toby. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Mosesy dia niantso an’i Misaela sy i Elzafana, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Arona, ka niteny taminy hoe: Manatòna ka ento hiala teo anoloan’ny fitoerana masina ny rahalahinareo ho eny ivelan’ny toby. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nampanalain’i Mosesy kosa ry i Misaela sy i Elitsafàna, samy zanakalahin’i Hoziela izay rahalahin-drain’i Aharôna, ka nilazany hoe: Manatona ianareo ka ento ny fatin’ny havanareo hiala eo amin’ny Toeramasina, ho any ivelan’ny toby. Baiboly Katolika Ary i Môizy niantso an’i Misaely sy Elisafôna, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Aarôna, nilaza tamin’ireo hoe: «Manatòna ianareo ka ento ny rahalahinareo hanalavitra ny fitoerana masina any ivelan’ny toby.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy dia nampaka an’i Misaela sy Elzafana, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan’ny fitoerana masina ho eny ivelan’ny toby. Malagasy Bible Ary Mosesy dia nampaka an'i Misaela sy Elzafana, zanak'i Oziela, rahalahin-drain'i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan'ny fitoerana masina ho eny ivelan'ny toby. La Bible en Malgache Ary i Mosesy dia niantso an’i Misaela sy i Elzafana, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Arona, ka niteny taminy hoe: Manatòna ka ento hiala teo anoloan’ny fitoerana masina ny rahalahinareo ho eny ivelan’ny toby. |
Isak’izay nilasy an-toby ny Israelita, dia nalain’i Mosesy ny tranolay masina ka naoriny teny ivelan’ny toby, teny lavidavitra. Nantsoina hoe Tranolay fihaonana izany, satria izay rehetra te hanontany ny TOMPO dia mivoaka ny toby ka mankao amin’izany tranolay izany.
Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama, i Jitsehara, i Hebrôna ary i Hoziela. Naharitra telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Kehata.
Ary ny anaran’ny zanakalahin’i Kehata dia ireto avy: i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela ka izy efa-dahy no razan’ny tarika avy aminy.
Rehefa tonga teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia tojo olona handevina fatin-jazalahy anankiray; ramatoa reniny tsy nanana afa-tsy iny sady efa mpitondratena, koa olona marobe avy ao an-tanàna no niaraka taminy.