Josoa 24:30 - DIEM PROTESTANTA Koa nalevina teo amin’ny faritry ny zarataniny izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nalevina tao amin’ny faritanin’ny lovany izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tany be havoana any Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gaasy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nalevina teo amin’ny faritry ny zarataniny izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa. Baiboly Katolika Nalevina tao amin’ny faritany azony ho zara taniny izy; dia tao Tamnata-Sare, amin’ny tendrombohitr’i Efraima avaratry ny tendrombohitra Gaasa. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nalevina tao amin’ ny fari-tanin’ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin’ny tany havoan’i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa. Malagasy Bible Dia nalevina tao amin'ny faritanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa. La Bible en Malgache Dia nalevina tao amin’ny faritanin’ny lovany izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tany be havoana any Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gaasy. |
Araka ny baikon’ny TOMPO, dia nomena an’i Josoa ny tanàna izay nangatahiny, izany hoe i Timnata-Sera ao amin’ny tendrombohitr’i Efraîma. Dia namboarin’i Josoa ilay tanàna ka nonenany.
Taorian’izany zavatra izany, dia maty teo amin’ny faha-110 taonany i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanompon’ny TOMPO.
Avy tao ireo no niampita ho any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, ka tonga teo akaikin’ny tranon’i Mikà.
Dia tao amin’ny faritra anjara lovany no nandevenana azy, izany hoe tao Timnata-Heresa, any amin’ny tany be tendrombohitra any Efraîma, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa.