Avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase tany ampita andrefan’i Jôrdàna dia i Tahenàka sy i Jiblehama: izany hoe tanàna roa mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.
Josoa 21:26 - DIEM PROTESTANTA Ny tanàna rehetra azon’ireo tarika sisa taranak’i Kehata dia tanàna folo mbamin’ny kijàna samy manodidina azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tanàna rehetra azon’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa dia folo, miampy ny tany manodidina azy avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny tanàna rehetra azon’ireo tarika sisa taranak’i Kehata dia tanàna folo mbamin’ny kijàna samy manodidina azy. Baiboly Katolika Folo no totalin’ny tanàna omban’ny manodidina azy no an’ny fianakavian’ny zanak’i Kaata sisa. Baiboly Protestanta Malagasy Ny tanàna rehetra azon’ny fokon’ny taranak’i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy. Malagasy Bible Ny tanàna rehetra azon'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy. La Bible en Malgache Ny tanàna rehetra azon’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa dia folo, miampy ny tany manodidina azy avy. |
Avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase tany ampita andrefan’i Jôrdàna dia i Tahenàka sy i Jiblehama: izany hoe tanàna roa mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.
Ireo tarika tamin’ny levita taranak’i Geresôna kosa dia ireto tanàna ireto no azony. Avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase teny atsinanana dia i Gôlàna any Basàna, izay tanàna fialofana, sy i Behestèra: izany hoe tanàna roa mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.
Ny azon’ny taranak’i Kehata sisa kosa tamin’ny antsapaka dia tanàna folo avy tamin’ny fokon’i Efraîma sy fokon’i Dana ary antsasa-pokon’i Manase any andrefana.