Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 13:15 - DIEM PROTESTANTA

Nomen’i Mosesy anjara ny fokon’ny Reobenita ho an’ireo tarika ao aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nomen’i Mosesy lova koa ny fokon’i Robena araka ny fianakaviany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nomen’i Mosesy anjara ny fokon’ny Reobenita ho an’ireo tarika ao aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nomen’i Môizy lova ny fokon’ny tarana-dRobena, araka ny fianakaviany avy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nomen’i Mosesy lova ny firenena taranak’i Robena araka ny fokony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nomen'i Mosesy lova ny firenena taranak'i Robena araka ny fokony

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nomen’i Mosesy lova koa ny fokon’i Robena araka ny fianakaviany.

Jereo ny toko



Josoa 13:15
7 Rohy Ifampitohizana  

i Reobena no lahimatoan’i Jakôba tamin’i Leà, avy eo dia i Simehôna, i Levỳ, i Joda, i Jisakara ary i Zebolòna.


Toy izao no lisitry ny filoham-pianakaviana teo amin’ny Israelita: Ny zanakalahin’i Reobena, lahimatoan’i Jakôba, dia i Hanôka, i Palo, i Hetsirôna ary i Karmỳ. Izy efa-dahy no razamben’ny tarika reobenita.


mifanolotra amin’ny faritanin’i Efraîma no hisy ny anjaran’i Reobena;


Ny fokon’i Levỳ kosa no hany tsy nomen’i Mosesy zaratany holovany. Ny anjarany dia alaina amin’ny sorona dorana amin’ny afo ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely araka izay efa nampanantenain’ny Tompo azy.


Ny faritaniny dia manomboka eo amin’ny tanàna Harôhera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy eo amin’ilay tanàna antenatenan’io lohasaha io, any atsimo, dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an’i Medebà;


Ankehitriny, araka izay efa nampanantenainy, dia nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo fandriampahalemana ny mpiray firenena aminareo; koa mahazo miverina any an-dainareo ianareo ankehitriny, any amin’ny tany izay efa nomen’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO ho anareo eny ampita atsinanan’i Jôrdàna.


Tsy natoky ny Israelita i Sihôna ka tsy namela azy hamakivaky ny taniny; fa namory ny tafiny manontolo, dia nitoby tao Jahatsa ary nanafika ny Israelita.