Taorian’ny nandresen’i Mosesy an’i Sihôna, ilay mpanjakan’ny Amôrita sady nonina tao Hesbôna, sy taorian’ny nandreseny tao Edrehỳ an’i Hôga, ilay mpanjakan’i Basàna sady nonina tao Hastarôta, no nitrangan’izany.
Josoa 13:12 - DIEM PROTESTANTA mbola anisan’izany koa ny fanjakan’i Hôga, iray amin’ireo Refaîta sisa tavela ary nanjaka tao Hastarôta sy Edrehỳ tany Basàna. Resin’i Mosesy avokoa ireo firenena ireo ka noroahiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia ny fanjakana rehetra an’i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarota sy Edrehy, izy ihany no sisa tamin’ny Refaìta fa resin’i Mosesy ireny ka noroahiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara mbola anisan’izany koa ny fanjakan’i Hôga, iray amin’ireo Refaîta sisa tavela ary nanjaka tao Hastarôta sy Edrehỳ tany Basàna. Resin’i Mosesy avokoa ireo firenena ireo ka noroahiny. Baiboly Katolika ny fanjakana rehetra tany Basàna an’i Oga, izay nanjaka tany Astarôta sy tany Edraia; izy io no hany sisa tamin’ny Refaima: resin’i Môizy ireo mpanjaka ireo ka noroahiny. Baiboly Protestanta Malagasy dia ny fanjakana rehetra an’i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin’ny Refaïta); fa resin’i Mosesy ireny ka noroahiny. Malagasy Bible dia ny fanjakana rehetra an'i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin'ny Refaita); fa resin'i Mosesy ireny ka noroahiny. La Bible en Malgache dia ny fanjakana rehetra an’i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarota sy Edrehy, izy ihany no sisa tamin’ny Refaìta fa resin’i Mosesy ireny ka noroahiny. |
Taorian’ny nandresen’i Mosesy an’i Sihôna, ilay mpanjakan’ny Amôrita sady nonina tao Hesbôna, sy taorian’ny nandreseny tao Edrehỳ an’i Hôga, ilay mpanjakan’i Basàna sady nonina tao Hastarôta, no nitrangan’izany.
Ny faharoa dia i Hôga, iray amin’ireo Refaîta sisa tavela; mpanjakan’i Basàna izy ary nipetraka tao Hastarôta na Edrehỳ.
Tsy noroahin’ny Israelita anefa ny mponina tao Gesora sy Mahekà; koa miara-monina amin’ny Israelita ry zareo mandraka androany.
ao anatiny koa ny antsasak’i Gilehada, ary i Hastarôta sy i Edrehỳ renivohitry ny fanjakan’i Hôga mpanjakan’i Basàna. Izany no faritany azon’ny taranak’i Makira zanakalahin’i Manase; azon’ilay antsasaky ny taranak’i Makira izany ho an’ireo tarika ao anatiny.