Nalaina ny fatin’i Absalôma, ka natsipy tao anaty lavaka lehibe iray tany an’ala dia nasiana antontam-bato lehibe teo amboniny. Ary nandositra nody any an-tranony avokoa ny Israelita rehetra.
Josoa 10:27 - DIEM PROTESTANTA Tamin’ny filentehan’ny masoandro dia nasain’i Josoa nampidinina ny faty, ka natsipy tao amin’ilay zohy efa nieren’ireo mpanjaka ireo ihany ny fatiny; ary vato vaventy mifanongoa no nanentsenana ny vavazohy, ka mbola ao ireny vato ireny mandraka androany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny filentehan’ny masoandro kosa dia nasain’i Josoa nesorina tamin’ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ilay zohy niereny ary nasiana vato lehibe teo amin’ny vavan’ny zohy ka mbola ao izany mandraka androany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny filentehan’ny masoandro dia nasain’i Josoa nampidinina ny faty, ka natsipy tao amin’ilay zohy efa nieren’ireo mpanjaka ireo ihany ny fatiny; ary vato vaventy mifanongoa no nanentsenana ny vavazohy, ka mbola ao ireny vato ireny mandraka androany. Baiboly Katolika Nony efa ho faty ny masoandro, dia nasain’i Jôsoe nampidirina amin’ilay zohy niereny, ary teo am-bava zohy nasiana vato lehibe mbola ao mandraka androany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny nilentehan’ny masoandro dia nasain’i Josoa nesorina tamin’ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin’ny vavan’ny zohy, ka mbola ao izany mandraka andro-any. Malagasy Bible Ary tamin'ny nilentehan'ny masoandro dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin'ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin'ny vavan'ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany. La Bible en Malgache Tamin’ny filentehan’ny masoandro kosa dia nasain’i Josoa nesorina tamin’ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ilay zohy niereny ary nasiana vato lehibe teo amin’ny vavan’ny zohy ka mbola ao izany mandraka androany. |
Nalaina ny fatin’i Absalôma, ka natsipy tao anaty lavaka lehibe iray tany an’ala dia nasiana antontam-bato lehibe teo amboniny. Ary nandositra nody any an-tranony avokoa ny Israelita rehetra.
Ary i Josoa dia nampanangana vato 12 ihany koa teo afovoan’i Jôrdàna, teo amin’ny toerana izay nijoroan’ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana; ary mbola ao ihany ireo vato ireo mandraka androany.
Avy eo dia nananganany antontam-bato lehibe teo ambonin’i Hakàna, ary mbola eo mandraka androany ilay antontam-bato. Izany no niantsoana io toerana io hoe lohasaha Hakôra mandraka ankehitriny. Taorian’izany vao nitony ny hatezeran’ny Tompo.
Ny mpanjakan’i Hay kosa nahantona tamin’ny hazo; ka teo ihany mandra-paharivan’ny andro. Nony nilentika ny masoandro, dia nasain’i Josoa naidina ny faty, ka natsipy teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna ary notsindrina antontan-bato miavoavo izay mbola ao mandraka androany.