Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 10:2 - DIEM PROTESTANTA

Dia raiki-tahotra mafy ny mponina tao Jerosalema satria i Gibehôna dia tanàna lehibe noho i Hay sady tahaka ny anankiray amin’ireo tanàna misy andriana, ary lehilahy mahery fo avokoa no tao aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia raiki-tahotra indrindra izy satria tanàna lehibe i Gibeona, tahaka ny tanàn-dehibe iray ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka, sady lehibe noho Ay, ary nahery daholo ny lehilahy tao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia raiki-tahotra mafy ny mponina tao Jerosalema satria i Gibehôna dia tanàna lehibe noho i Hay sady tahaka ny anankiray amin’ireo tanàna misy andriana, ary lehilahy mahery fo avokoa no tao aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia raiki-tahotra mafy izy, satria i Gabaôna dia tanàna lehibe toy ny iray amin’ny tanànan’andriana, lehibe aza noho i Haia, sady lehilahy mahery avokoa ny ao aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona, tahaka ny anankiray amin’ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny ny lehilahy rehetra teo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin'ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia raiki-tahotra indrindra izy satria tanàna lehibe i Gibeona, tahaka ny tanàn-dehibe iray ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka, sady lehibe noho Ay, ary nahery daholo ny lehilahy tao.

Jereo ny toko



Josoa 10:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Notafihin’i Jôaba i Rabà, renivohitry ny Hamônita ka azony ny tanànan’ny mpanjaka.


Izay ahîn’ny olon-dratsy no ho tonga aminy; fa izay irîn’ny olo-marina kosa no homena azy.


Tsy hisy hahatohitra anareo fa hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo ho azon’ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra hodiavin’ny faladian-tongotrareo, araka ny nampanantenainy anareo.


Manomboka anio, dia hataoko mahazo ny firenena rehetra ambany lanitra ny horohoro sy tahotra anareo; ka vantany vao reny ny lazanareo, dia hangovitra sy hipararetra noho ny aminareo izy.»


dia hahita avokoa ny firenena fa ny anaran’ny TOMPO no antsoina aminareo, ka hatahotra anareo izy rehetra.


fa ny andrasantsika amin-tahotra dia ilay andro fitsarana sy ny afo midedadeda handevona ny fahavalon’Andriamanitra.


Zavatra mahatahotra izany ho azon’ny tanan’ilay Andriamanitra velona!


Ary nitantarany ny zavatra rehetra nitranga i Josoa


Dia namaly an’i Josoa ny Gibehônita ka nanao hoe: –Notantaraina tsara taminay, tompoko, izay efa nandidian’ny TOMPO Andriamanitrao an’i Mosesy mpanompony, dia ny hanomezana anareo ity tany manontolo ity ary handringananareo ny mponina rehetra ao aminy arakaraka ny androsoanareo. Natahotra mafy ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka izany no nanaovanay izany zavatra izany.


Ny mponina tao Gibehôna dia isan’ny Hivita; kanefa, nony nandre an’izay nataon’i Josoa tamin’i Jerikao sy i Hay ry zareo,


Indray andro dia hoy i Davida tamin’i Akisy: –Raha tsara fo amiko tokoa ianao, dia aoka aho mba homena toerana iray amin’ny tanàna any ambanivohitra hipetrahako. Fa mpanomponao aho ka nahoana no dia hiara-mitoetra aminao ato amin’ny renivohi-panjakàna?