Fa raha mitsoaka mankamin’ny tanàna iray izy, dia hitondran’i Israely manontolo tady mahazaka izany tanàna izany, ka hotarihintsika hivarina any amin’ny ranon-driaka mandra-pahafoana azy tsy hisy vato kely iray hita ao intsony.
Josoa 10:19 - DIEM PROTESTANTA Kanefa ianareo aza mijanona any, fa enjeho ny fahavalonareo ka asio avy ao ivohony; aza avela hiditra any an-tanànany, satria efa natolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ao an-tananareo izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 nefa aza mijanona ianareo, fa manenjeha ny fahavalonareo ka mameleza ny vodilalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotry NY TOMPO Andriamanitrareo eo an-tananareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa ianareo aza mijanona any, fa enjeho ny fahavalonareo ka asio avy ao ivohony; aza avela hiditra any an-tanànany, satria efa natolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ao an-tananareo izy. Baiboly Katolika Ary ianareo aza mijanona fa enjeho ny fahavalonareo, asio izy amin’ny vodilalany, aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr’i Iaveh Andriamanitrareo eo an-tananareo.» Baiboly Protestanta Malagasy fa hianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-làlana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr’i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tànanareo. Malagasy Bible fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo. La Bible en Malgache nefa aza mijanona ianareo, fa manenjeha ny fahavalonareo ka mameleza ny vodilalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotry NY TOMPO Andriamanitrareo eo an-tananareo. |
Fa raha mitsoaka mankamin’ny tanàna iray izy, dia hitondran’i Israely manontolo tady mahazaka izany tanàna izany, ka hotarihintsika hivarina any amin’ny ranon-driaka mandra-pahafoana azy tsy hisy vato kely iray hita ao intsony.
Ka hoy i Davida tamin’i Abisay: –Ankehitriny dia efa mampidi-doza antsika mihoatra noho i Absalôma i Sebà zanakalahin’i Bikrỳ. Koa ento ny miaramila mpiambina ahy, dia enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda, ka ho dify ny masontsika.
Ho voaozona anie izay manao tsirambina ny asa nampanaovin’ny TOMPO azy; eny, ho voaozona anie izay misakana ny sabany tsy handatsa-dra!
Nahoana no mijanona eto isika? Andeha hifamory isika ka hiditra ao amin’ny tanànamimanda ary dia miandry ny ho faty ao, satria ny TOMPO Andriamanitsika no manendry antsika ho faty ka mampisotro antsika rano voapoizina, noho isika efa nanota taminy:
Dia nanome baiko i Josoa hoe: –Anakodiavo vato lehibe eo am-bavazohy ary asio olona hiambina azy.
Rehefa nasian’i Josoa sy ny Israelita ireo Amôrita, dia voan’ny faharesena lehibe tokoa tamin’ny farany, ary faharesena tanteraka; saingy nisy ihany afa-nandositra ka nitsofoka tao amin’ny tanànany mimanda.