Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joda 1:5 - DIEM PROTESTANTA

Na dia efa fantatrareo aza ny zavatra rehetra, dia tiako hampahatsiarovina anareo ireto: rehefa novonjen’ny Tompo tanteraka ho afaka tany Ejipta ny vahokany, dia naringany ihany tatỳ aoriana izay tsy nino,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ta hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Ejipta ny olona dia naringany ihany taorianan’izany izay tsy nino.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Na dia efa fantatrareo aza ny zavatra rehetra, dia tiako hampahatsiarovina anareo ireto: rehefa novonjen’ny Tompo tanteraka ho afaka tany Ejipta ny vahokany, dia naringany ihany tatỳ aoriana izay tsy nino,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tiako ny hampahatsiaro anareo ny zavatra efa renareo taloha, fa nony efa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Ejipta ny vahoakany, dia naringany indray izay tsy nino tatỳ aoriana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian’izany izay tsy nino.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen'ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian'izany izay tsy nino.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ta hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Ejipta ny olona dia naringany ihany taorianan’izany izay tsy nino.

Jereo ny toko



Joda 1:5
14 Rohy Ifampitohizana  

Koa nanangan-tanana hianiana Andriamanitra fa handringana an’ireo razanay any an-taniefitra,


Ka tamin’io andro io indrindra no navoakan’ny TOMPO tamim-pilaminana avy tany Ejipta ny Israelita.


Kanefa, mba ho toy ny hamohafohazana ny fahalalana efa ao aminareo no nanoratako taminareo tamin-kasahiana ihany ombieny ombieny, noho ilay tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy;


Ary, tamin’izany toe-javatra izany, dia tsy ninoanareo ny TOMPO Andriamanitrareo.


Iza moa ireo nandre ny feon’Andriamanitra nefa niodina taminy? Ireo rehetra nentin’i Mosesy niala tany Ejipta.


Ry hava-malala, ity izao no taratasy faharoa soratako ho anareo.


Ianareo kosa dia manana ny Fanahy Masina avy amin’i Kristy ary mahafantatra izany avokoa ianareo.


Tsy noho ianareo tsy mahafantatra ny hafatra marim-pototra no nanoratako taminareo, fa noho ianareo mahafantatra izany; ary fantatrareo koa fa tsy misy lainga avy amin’ilay hafatra marim-pototra.