Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 2:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Tsy noho ianareo tsy mahafantatra ny hafatra marim-pototra no nanoratako taminareo, fa noho ianareo mahafantatra izany; ary fantatrareo koa fa tsy misy lainga avy amin’ilay hafatra marim-pototra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsy fisian’ny lainga avy amin’ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Tsy noho ianareo tsy mahafantatra ny hafatra marim-pototra no nanoratako taminareo, fa noho ianareo mahafantatra izany; ary fantatrareo koa fa tsy misy lainga avy amin’ilay hafatra marim-pototra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Tsy noho ianareo tsy mahalala ny marina no nanoratako ho anareo, fa noho ianareo mahalala izany indrindra, ary mahafantatra fa ny lainga rehetra dia tsy avy amin’ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin’ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin'ny marina.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 2:21
9 Rohy Ifampitohizana  

Na dia ny hendry aza no mihaino ireny, dia hitombo traikefa izy, ary ny lalin-tsaina hahita torolalana


Ary hoy i Pilato taminy: –Koa Mpanjaka izany Ianao? I Jesoa kosa namaly hoe: –Voalazanao fa Mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako ary izao no niaviako eto amin’izao tontolo izao: dia ny ho vavolombelona hanambara ny marina. Izay rehetra mpiandany amin’ny marina dia mihaino ny feoko.


Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin’ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin’ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain’ny mpandainga.


Efa fantatrareo izany, ry havako malala; kanefa aoka ny isam-batan’olona samy ho dodona hihaino fa tsy ho maimaika hiteny na halaky tezitra,


Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo an’izany zavatra izany aho, na dia efa mahalala aza ianareo sy efa miorina mafy amin’ny hafatra marim-pototra izay anananareo ankehitriny.


Izany no hahafantarantsika fa mpiandany amin’ny marina isika. Izany no hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra,


Na dia efa fantatrareo aza ny zavatra rehetra, dia tiako hampahatsiarovina anareo ireto: rehefa novonjen’ny Tompo tanteraka ho afaka tany Ejipta ny vahokany, dia naringany ihany tatỳ aoriana izay tsy nino,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra