tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.
Jeremia 45:2 - DIEM PROTESTANTA –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely momba anao, ry Baròka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny aminao, ry Baroka: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely momba anao, ry Baròka. Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iaveh mpanjakan’i Israely ny aminao, ry Baròka: Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka: Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka: La Bible en Malgache Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny aminao, ry Baroka: |
tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.
Fony i Baròka zanakalahin’i Nerià nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin’i Jeremià, dia taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda tamin’izay; ka hoy ny teny nataon’i Jeremià mpaminany tamin’i Baròka:
«Idiran-doza aho, hoy ianao, fa ampian’ny TOMPO alahelo indray ny fahoriako; efa sasatry ny misento aho fa tsy mba misy hitsaharana!»
Fa mandehana lazao amin’ny mpianany sy amin’i Petera hoe: «Mialoha lalana anareo any Galilea, hono, Izy; any no hahitanareo Azy, araka ny voalazany taminareo.»
Mampahery anay amin’ny fahoriana isan-karazany manjo anay Andriamanitra, ka ny fampaherezana azonay taminy no entinay mampahery ny olona ianjadian’ny fahoriana isan-karazany.
Kanefa Andriamanitra, Izay mampahery ny ory fo, dia nampahery anay tamin’ny nahatongavan’i Tito;
Fa noho ny tenan’io Mpisorombe io niaritra fijaliana sy nalaim-panahy, dia mahavonjy izay rehetra alaim-panahy koa Izy.
Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota.