Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 22:4 - DIEM PROTESTANTA

Raha manaraka tokoa izao teny izao ianareo, dia mbola hisy ihany mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ka handehandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy. Ho afaka mandalo hatrany amin’ny vavahadin’ity lapa ity izy sy ny manamboninahiny ary ny vahoakany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo dia hisy mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida hiditra amin’ity vavahady ity mitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha manaraka tokoa izao teny izao ianareo, dia mbola hisy ihany mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ka handehandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy. Ho afaka mandalo hatrany amin’ny vavahadin’ity lapa ity izy sy ny manamboninahiny ary ny vahoakany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Raha tanterahinareo tsara izao teny izao: ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, hiditra amin’ny vavahadin’ity trano ity, mitaingina kalesy aman-tsoavaly dia izy, ny mpanompony amam-bahoakany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha mankatò izany teny izany tokoa hianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida hiditra amin’ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo dia hisy mpanjaka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida hiditra amin’ity vavahady ity mitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.

Jereo ny toko



Jeremia 22:4
2 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izay ireo mpanjaka mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida ka mandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy sy ireo mpitondra sy ny vahoakan’i Joda ary ireo mponina rehetra eto Jerosalema dia hahazo hiditra amin’ireo vavahady ireo hatrany; ary ity tanàna ity dia honenana mandrakizay.


ary lazao hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianao, ry mpanjakan’i Joda izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia ianao sy ny manamboninahitrao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ireto vavahadin’ny lapa ireto.»