Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 18:6 - DIEM PROTESTANTA

«Moa tsy afaka manao aminareo toy izay ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry olon’i Israely, hoy ny fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO? Indro eo an-tanako ianareo, tahaka ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Moa tsy afaka manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’Israely? Hoy NY TOMPO. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Moa tsy afaka manao aminareo toy izay ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry olon’i Israely, hoy ny fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO? Indro eo an-tanako ianareo, tahaka ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

«Moa aho tsy mahazo manao aminareo, toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely? - teny marin’i Iaveh. - Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy, ianareo eo an-tanako, ry taranak’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny ranimanga eo an-tànan’ny mpanefy azy, Dia toy izany hianareo eo an-tànako, ry taranak’Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Moa tsy afaka manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’Israely? Hoy NY TOMPO. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’Israely.

Jereo ny toko



Jeremia 18:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Lozan’izay sahy manome tsiny ny mpanao azy, kanefa ny tenany dia siny tanimanga toy ny siny tanimanga rehetra ihany! Ny tanimanga ve hanontany ny mpanefy azy hoe: «Inona ity ataonao?» na ny asa vitany hanao aminy hoe: «Tsy mahay ianao!»


TOMPO ô, aza vinitra loatra aminay ary aza tsarovana hatrany ny helokay; mba tsinjovy re izahay vahoakanao rehetra.


Ary raha simba ny vilany ataony fa mety hitranga amin’ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy ihany izany, dia anaovany vilany hafa indray iny araka izay tiany hanaovana azy.


Dia nanafatra ahy ny TOMPO hoe:


Ary ny baiko hamelana ny foto-kazo sy ny fakany kosa dia midika hoe: Haverina aminao ny fanjakanao rehefa miaiky ianao fa ilay Andriamanitry ny lanitra no manapaka.


Tsy azoko anaovana izay tiako ve ny fananako? Sa mialona ianao satria mazava fo aho?»


«Iza no mahalala ny hevitry ny Tompo, ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?